SocialTsidika

Fiantraikan’ny tsy fanjarian-tsakafo maharitra : Very 14, 5% isan-taona ny harin-karena faoben’i Madagasikara (PIB)

Tsy olana ara-pahasalamam-bahoaka ihany ny tsy fanjarian-tsakafo lalina fa olana ara-tsosialy sy ara-toekarena ihany koa. Misy fiantraikany amin’ny fitomboana sy ny fivoaran’ny zaza ara-tsaina izany. Very 14, 5% isan-taona ny harin-karena faoben’i Madagasikara (PIB) amin’izany, araka ny tatitra nataon’ny « Cost hunger in Africa ».

Izany fatiantoka izany dia tafakatra eo anelanelan’ny 2 hatramin’ny 5 lavitrisa ariary isan-taona”araka ny tombatombana nataon’ny Office national de nutrition (ONN) tamin’ny atrikasa fifampidinihana momban’ny paikady nasionaly hoan’ny fanamafisana ara-tsakafo eto Madagasikara izay notanterahina tao amin’ny Hotel Vatel Ambatoroka ny Alatsinainy 23 Aogositra 2021.

Raha 47% ny tahan’ny tsy fanjaraian-tsakafo eto Madagasikara ny taona 2013, tafidina hatrany amin’ny 42% izany ny taona 2018 araka ny fanadihadhana nataon’ny Mics. Na izany aza, miovaova izany salanisa izany arakaraky ny faritra. Nandray anjara tamin’ny atrikasa moa ireo mpisehatra sy fikambanana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, tao ihany koa ny Office national de la nutrition, ny « Bureau National des Normes » (BNN), ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, ministeran’ny fanabeazana, ny ministeran’ny mponina ary ihany koa ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompona. Hita nanatrika ny atrikasa ihany koa, ny fiaraha-monim-pirenena sy ireo orinasa hafa toy ny plateforme Hina, « Scaling Up Nutrition » (SUN), « Foods solution », Nutrizaza ary ny Mofoko. Tanjona amin’izao atrikasa fifampidinihana momban’ny paikady nasionaly hoan’ny fanamafisana ara-tsakafo eto Madagasikara dia ny hanatsaa ny lafiny ara-tsakafo.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire