Maurice : Vehivavy iray maty nokendain’ny vadiny
Hita faty ny alatsinainy eo tao ampandrinany i Jyoti Dussoye, renim-pianakaviana 32 taona manan-janaka vavikely 13 taona sy lahikely 11 taona. Feno ratra ny vatan’ity ramatoa ity raha ny fanazavan’ireo mpitandro ny filamanana ary vata-mangatsiaka efa nisarona lamba no novantaniny. Ny zazany vavy kosa no nahita ny razana ka nampandrehy azy ireo.
Niompana tamin’ny vadiny avy hatrany ny ahiahin’ny rehetra. Efa miady matetika ireto mpivady ireto hoy i Kiran Janoo iray tampo amin’ny maty. Nanamafy izany ihany kosa ny tsy fahitana ity rangahy ity tao aorian’ny tranga. Nanditra ny fizahana nataon’ny Dr Maxwell Monvoisin kosa no nahafantarana fa nokendaina ity renim-pianakaviana ity. Mbola eo ampikarohana kosa ny mpitandro ny filaminana.
