Israël : Mahazo manao fitiliana coronavirus ny zaza manomboka 3 taona
Ny alahady teo no nanombohan’iIsraël ity hetsika ahafahan’ny zaza 3 taona noho mihoatra fitiliana « sérologique » ity. Entina andinihana ny fiasan’ny hery fiarovan’ireo zaza tsy vita vaksiny izany raha ny fanazavana. Raha efa nitondra ny tsimok’aretina ny zaza ka ampy ny hery fiarovany dia tsy voatery hatoka-monina izy hoy ny ministeran’ny fanabeazana ao an-toerana.Ahafahana mametra ny fifindrana ao any amin’ny toeram-pianarana izany hoy izy hatrany.
Natao alohan’ny fidiran’ny mpianatra amin’ny 1 septambra izany hoy ny fitondram-panjakana ao an-toerana mba tsy hisian’ny fihemoran’izany intsony. Efa nanomboka ihany koa ny fanaovam-baksiny ireo ankizy mihoatra ny 12 taona ao an-toerana.
