SocialTsidika

Tsy azo atao ny manala aro tava na efa vita vaksiny aza

Nitondra fanazavana momban’ny vaksiny iadiana amin’ny coronavirus ny dokotera Toky Randriamahazo, chef de service ao amin’ny Hopitaly HJRA. Nilaza izy fa na efa vita vaksiny aza, tokony mbola manao aro tava hatrany.

Misy tokoa ireo izay mihevitra fa afaka tsy manao aro tava intsony rehefa avy manao vaksiny. Tsy miaro amin’ny aretina anefa ny vaksiny fa kosa mampihena ny mety ahatongavan’ny olona iray eo amin’ny « cas grave » raha oharina amin’ny olona tsy natao vaksiny izy.

« Izahay efa tsy manao cache bouche intsony fa efa vita vaksiny » hoy ny raim-pianakaviana iray avy any ambanivohitra. « Tsy ampy ny fifandraisan’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny fahasalamana amin’ny vahoaka matoa misy mandray azy ho toy izany ny olona. Ny fahafantaran’ny besinimaro ny vaksiny dia miaro tanteraka, izany hoe raha manao izany izy dia tokony tsy ho tratra intsony. Tsy ny vahoaka izany no diso raha tsy mahalala fa ny serasera no tsy mandeha. Tsy afaka omena tsiny izy raha tsy manao aro tava intsony » hoy kosa Salohy, mpianatra serasera.

Efa maromaro ihany ireo olona efa tsy manao aro tava intsony eny an-dalambe. Te ho afaka amin’ny fanaovana an’izy io ny vahoaka. Mifanohitra amin’izay anefa no tokony ho atao raha te ho afaka amin’izany isika. Tokana ihany ny zavatra atao : ny fanajana ny fepetra rehetra dia ny fanaovana « masque », sy fanarahana ny fihetsika ara-pahasalamana rehetra. Rehefa tsy misy intsony ireo voa an’ity aretina ity vao afaka miroso tsikelikely amin’ny fanalana izany isika. Ilaina arak’izany ny fanentanana avy amin’ireo tompon’andraikitra eo amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ahafantaran’ny olona izany.

Raha ny tsy fanarahan-dalana misy eto amin’ny firenena nefa, azo inoana ve ny afahantsika haingana amin’izany ?

Tsangy Rajaonarivony

Laisser un commentaire