Japon : fiaramanidin’i Cathay pacific nifandona tamin’ny Korean Air
Nisy ny fifandomana fiaramanidina tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Sapporo tao avaratr’i Japon, ny talata teo. Fiara-manidina hiantsona haka toerana, efa tsy nisy olona intsony, tao anatin’ny Cathay pacific no nifandona tamin’ny Korean air A330, izay nandeha tamin’ny tany, hiomana ny hanidina. Tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy raha ny voalaza.
