Ambohimangarova : Tovolahy 24 taona tratra namaky trano niaraka tamin’ireo namany
Tovolahy iray iray no nampangain’ny tapis halatra izay nololohaviny, ny 13 janoary teo, tao Soavinimerina, kaominina Ambohimangarova. Voasambotra niaraka taminy ihany koa tao aorinan’izay ny namany roa, samy mpamaky trano avokoa.
«Vitan’ity tovolahy, 24 taona, ity ny nandavaka ny tamboho tao amin’ny toka-trano iray. Vitany ihany koa ny namaky ny varavaramby, ary nangalatra ny vata fampangatsiahana, synthétisuer, ny tapis ary kojakojan-dakozia hatramin’ny lambam-baravarana » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.
« Ny mpanampy an-trano no nahita azy teny an-dalana niloloha ny tapis nangalariny ka nampandre ny sefo fokontany avy hatrany ka ity farany no niantso ny zandary ka nahafahana nisambotra azy. Rehefa natao ny fanadihadiana dia nanaiky nanondro ny namany miisa roa ihany koa izy,izay niara-nanatanteraka taminy ny vaky trano » hoy hatrany ny fanazavana.
Nosamborina tao Analamhitsy sy tany Talata Volonondry moa ireto namany roa lahy ireto. Amin’ireto farany izay efa tena mpanao ity asa ratsy, amin’ny vaky trano ity satria vdia vao avy voasambotra tamin’ny halatra sy vaky trano, ny volana aprily 2023, tao Sabotsy Namehana.
