Ambohimalaza: Mpangalatra miisa dimy voasambotra
Dimy lahy no voasambotry ny mpitandro filaminana, ny faran’ny taona treo rehefa nikasa hamoaka entana tao amin’ny orinasa iray, toeram-piasan’izy ireo, teny Ambatofotsy, kaominina Ambohimalaza. Antso voaray avy amin’ny olon-tsotra, nahita ny fihetsik’izy ireo hafahafa no nahafahana nanara-maso sy nisambotra azy ireo, araka ny voalaza.
“Roa lahy tamin’izy ireo no hitan’ny fokonolona nanaraka sisin-drindrin’ny orinasa teny Ambatofotsy Ambohimalaza, nanao fihetsika mampiahiahy ka nampilaza ny zandary avy hatrany. Vao nahita ny zandary sy ny fokonolona anefa izy ireo dia nandositra avy hatrany nihazo ny fokontany Andranovao Ambohimangakely ka voasambotra ihany” hoy ny avy amin’ny zandarimaria.
“Nandritra ny fanadihadiana azy ireo no nahafantarana fa mpiasa ao amin’ilay orinasa izy ireo, nirava tamin’ny 05ora hariva ary hamoaka sy hangalatra fitaovana fampiasan’izy ireo tao an-toerana no tanjony. Efa nisy mpiara-miasa mpiray tsikombakomba tamin’izy ireo ihany koa, hanipy ny fitaovana hangalarina aty ivelany. ??????????? ??? ??????? ????? ??? ???? ?????? ???? ???? ???? » hoy hatrany ny fanazavana.
Fiaraha-mientan’ny zandary sy ny fokonolona no nahafahana nisambotra ireto olon-dratsy ireto. Mbola manentana hatrany ihany koa ny mpitandro filaminana ao anatin’ny tanamaron’ny fandriam-pahalemana, ho famaizana ny olon-dratsy tahaka izao. Tsy vao sambany moa no nanao izao asa ratsy ireo ireto lehilahy ireto fa efa nanao izany izy ireo teo aloha, raha ny voalaza hatrany.
