Torohevitra: Miaro amin’ny AVC ny fihinana “choux fleur”
Fotoana fiakaran’ny “choux fleur” tokoa amin’izao fotoana izao ary maro be izy ireny hitatsika eo an-tsena fivarotana legioma eny.
Ny “choux fleur” dia manan-karena singa sy otrikaina izay ilain’ny vatana. Mahasalama ary miaro amin’ny aretina samihafa ny fihinanana azy toa ny homamiadana sy ny aretin’ny fo.
Mampatanjaka sy mampatsilo saina ihany koa izy satria ahitana karazana vitamina toy ny B1, B2, B3, B6 ary ny B9; ahitana ihany koa ny vitamina K. ankoatra izay, dia legioma mitondra faosifaoro, pôtasioma ihany koa izy io izay tena ilaina idrindra amin’ny ankizy.
Anisan’ny miady amin’ny AVC ity legioma ity noho ny fananany “antioxydants” betsaka izay miaro amin’ny aretin’ny fo sy ny fahatapahan’ny lalan-drà.
Maro ny fomba azo hikarakarana ny choux fleur, ankoatra ny mahazatra amin’ny fanaovana azy laoka, dia azo atao ihany koa ny mahandro azy amin’ny entona, atao lasary isan-karazany. Marihina fa ny choux fleur tsy tsara masaka, izany hoe ilay nandrahoana tamin’ny entona no be otrikaina kokoa noho ilay andrahoana manontolo.
Manitra R.
