ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Mangataka ny hametrahana polisy hanara-maso ny fifamoivoizana ireo mponina

Mangataka ny hametrahana polisy hanara-maso ny fifamoivoizana ireo mponina ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Efa hatramin’ny ela izao no nandefa fitaraina ireo mponina, teny anivon’ireo tambanjotran-tserasera manoloana ny afitsoky ny zotra fiara fitateram-bahoaka iray ao an-toerana.

« Efa ela ireo mpampiasa ny zotra no nitaraina mahakasika ny fomba fiasan’ny zotra ao an-toerana. Tsy ampy ny fandraisan’andraikitr’ireo tompon’andraikitra mpandamina ny fifamoivoizana ka manao izay tiany, tsy manaja ny mpandeha ireo mpamily sy mpanampy ny mpamily » hoy i Annie, mponina ao Ambohimangakely.

« Tsy vitan’ny efa mibahana ny lalana ho an’ny mpampiasa lalana fa mbola miteraka fifamoivoizana ihany koa ireo taxibe, izay miteraka fanelingelenana ho an’ny mpampiasa lalana no mampijaly ny mpandeha aminy. Tokony handraisana fepetra haingana » hoy i Romuald, mpitondra fiara.

Anisan’ny miezaka mamaha ny olana sedrain’ny mponina amin’ny resaka fitaterana ny tompon’andraikitra ao anivon’ny kaominina. Tokony jerena hatrany ifotony tokoa ny resaka fitaterana satria tsy vao izao ireo mponina no nametraka fitarainana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire