Dépêches

Mitohy ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Inde

10 Jona, 09h00. Nihaona ny Praiministra Ntsay Christian sy ny Ambasadaoron’i Inde, SEM Abhay Kumar, izay nanambara fa hitondra fanohanana ho an’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny fanjarian-tsakafo, ka hanolotra bisikileta miisa dimy arivo sy iray alina, hozaraina ho an’ireo mpampianatra sy mpianatra Malagasy, ary vary dimy arivo taonina. Efa an-dalana ireo fanomezana ireo ary tsy ho ela dia ho tonga eto an-toerana. Nohamafisina anndritra izany ihany koa ny fifandraisana misy eo amin’ny firenena roa tonta eo amin’ny sehatra maro, kolontsaina, tontolo iainana, angovo, fandriampahalemana, fahasalamana, fampianarana ary fambolena.

Laisser un commentaire