Dépêches

Antanimena: Fiarakaretsaka R5 iray no nirehitra

27 Aprily, 08h00. Fiarakaretsaka iray no nidonaka teny Antanimena omaly talata ka niafara tamin’ny firehetana izany. Avotra soa aman-tsara ny mpandeha tao anatin’ny fiara noho izy ity vao nidonaka dia nivoaka ny fiara izy ireo. Nambaran’ny mpamily fa olana ara-teknika tamin’ny fiara no antony nahatonga ny firehetana. Ireo olona teny amin’ny manodidina sy ny mpitandro ny filaminana kosa no nanampy tamin’ny famonoana ny afo.

Laisser un commentaire