Masindray : Manana ekipa mpilalao Basket
Manana Ekipa mpilalao basket lahy sy ekipa vavy ny kaominina Masindray. Miantso ireo tanora hafa avy ao Masindray liana amin’izany ireo mpisehatra amin’izao.
« Efa mandeha ny fizarana amin’izao ho an’ny tovolahy mpilalao. Ho atomboka tsy ho ela kosa ny an’ny vehivavy. Tsy mbola tara isika raha te hanatevin-daharana amin’izany » hoy i Dimby, tompon’andraikitra ao amin’ny ekipa. « Rehefa misy ny lalao handraisan’ny kaominina Masindray anjara amin’ny lalao baolina kitra dia efa manana ekipa isika. Tsy hitsanga-menatra manoloana ny kaominina hafa. Ny tanora tokoa no taninketsan’ny firenena » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Masindray Avaradrano.
Isaky ny sabotsy tolakandro ny fanazaran-tena ao amin’ny CEG Masindray. Tsy misy vola aloa. azon’ny rehetra atao ny manatevin-daharana amin’izany.
Nicole Rafalimananjara
