Akon’ny Paska 2022
Saika feno avokoa ireo toeram-pitsangatsanganana ny alatsinain’ny Paska lasa teo toy ny tao Tsimbazaza sy ireo toerana nisy fampisehoana toy ny tao Antsonjombe. Tao Antsirabe ihany koa dia tena tomefy olona tanteraka. Tsy vitsy ihany koa ireo izay nanapakevitra ny hivoaka kely an’Antananarivo mihitsy ka nihazo ny faritra. Hita taratra tamin’iny fety teo iny ny akon’ny fihibona tamin’ireo vahoaka malagasy. Na dia teo aza anefa izay fifaliana izay dia nisy ihany koa ireo tra-doza toy ny tao Beloha Androy izay nisy olona enina lasan’ny rano.
