Chine : Niantso ireo mpiasany hiala ao Shanghai i Etats-Unis
Miatrika ny fiakaran’ny tahan’ny covid-19 ambony indrindra hatramin’ny nisian’ny valan’aretina i Shanghai, renivohitra ara-toekarenan’i Chine amin’izao fotoana. Mba hiatrehana izany dia nanapa-kevitra ny naniboka mponina maherin’ny 25 tapitrisa ireo manam-pahefana. Izay rehetra voatily miabo ny tsimok’aretina rehetra ihany koa na tsy maneho soritr’aretina aza dia atoka-monina avokoa.Manoloana io zava-misy io dia nandidy an’i Shanghai mba hampody ireo mpiasany izay tsy tena ilaina i Washington ny talata teo. Mbola tsy voafaritra mazava ireo olona voakasiky ny fanampahan-kevitra io ary tsy nazava tsara ny hafatra nalefan’ny masoivohonn’i Etats-Unis raha miala ao Shanghai na i Chine mihitsy ireo olona voalaza ireo.Raha ny tatitry ny ministeran’ny fahasalama tao an-toerana ny talata teo kosa dia misy tranga vaovao 23 000 ao Shanghai, izay isa amboniny indrindra ao Chine.
