Dépêches

Ambatolampy : Mpanao afera taolam-paty voasambotra

13 Aprily, 08h00. Mpanao afera taolam-paty iray no voasambotry ny zandary ao amin’ny Vondron-tobim-paritra Ambatolampy. Olona tsara sitrapo no nampandre ny manam-pahefana raha avy niresahan’ity olona ity fa mivarotra taolam-paty 200 kg izy ary mitady mpividy. Nikaroka azy avy hatrany ny zandary ka izao voasambotra izao. Niaily io lehilahy io fa manana taolam-paty 200 kg, fa any amin’olona any Morondava. Efa natolotra ny fitsarana kosa izy ary notanana am-ponja avy hatrany, ilay namany voatondro fa mitazona ilay taolana kosa dia nankinina tamin’ny zandarimaria Menabe ny fikarohana azy.

Laisser un commentaire