Ankadikely Ilafy : Mila handraisana fepetra ireo andrin-jiro mety hampidi-doza
Betsaka ireo andrin-jiro hazo mitanila na efa lo sy ny « fil » mitondra herinaratra mikirozaroza atahorana hitera-doza ao Ankadikely Ilafy. Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.
« Betsaka ireo andrinjiro hazo mitanila na efa lo sy ny « fil » mitondra herinaratra mirozaroza ka mety hitera-doza ho an’ny mponina manodidina. Toy ny hita ety Andranoritra Mandrosoa, Manjaka Faritra fahatelo sy ny sisa » hoy i lanto, mponina ao Ankadikely Ilafy. « Manaitra ny tompon’andraikitra ao amin’ny Jirama izahay. Izao antso izao no atao ho fiarovana sy ho fisorohana ny mety fahavoazana aterak’izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.
Ny mponina no nampande sy nitaraina tao amin’ny kaominina. Mila mitandrina sy mailo mandrakariva amin’ny tranga toy izao.
Nicole Rafalimananjara
