Dépêches

ANAC : Mitohy ny fanomezana vahana ny zava-kanto Malagasy

07 Aprily, 09h30. Taorian’ireo hetsika samihafa nokarakarain’ny ANAC, Akademiam-pirenen’ny Zava-kanto sy ny Kolontsaina Sampana Analamanga momba ny hetsika fanomezana hasina ny zava-kanto Malagasy dia mbola mitohy ny hetsik’izy ireo. Hanatontosa hatrik’asa momba ny gadona sy ny paika indray izy ireo ny sabotsy izo ao amin’ny efitrano A ex-CNEMD Anosy. Maimaim-poana hatrany ny fanatrehana izany.

Laisser un commentaire