Nodimandry i Maître OLALA
26 Janoary, 09h00. Nodimandry omaly teny amin’ny hopitaly Andohatapaneka ny mpisolovava Willy Razafinjatovo na i Maître OLALA. Tany amin’ny taona 1972 no nanomboka nahafantarana azy sy ny fahaizany teo amin’izay paikadin’ny fiarovana izay. Anisany mpiaro ireo voahitsakitsaka zo sy iharan’ny tsindry ara-piaramonina na ara-politika teto amin’ny firenena ny tenany. Saika izy avokoa no nisahana ny fiarovana an’ireo voarohirohy tamina raharaha mafampana teto amin’ny firenena.
