Dépêches

Nitrangana hain-trano ny kaominina ambonivohitra Sambava omaly tolak’andro.

11 Oktobra, 09h10. Tsy tonga nanatanteraka ny asany ireo mpamonjy voina noho tsy fafanan’izy ireo fiara hany ka ireo fokonolona sy ireo mpitandro filaminana no naira-nisalahy namono ny afo. Trano iray no kila tanteraka noho izany, trano iray izay nifanila aminy kosa no voatery nosimbaina nahafahana namonjy ireo entana tao anatiny. Rano avy amin’ny vovo miisa roa sy ny ranomasina izay teo akiaky teo ihany no namonjena ny afo.

Laisser un commentaire