Fitrandrahana safira tao amin’ny valanjavaboaharin’Ankarana
01 Oktobra, 12h00. Nandritry ny fisafoana tao amin’ny valanjavaboaharin’Ankarana no nahitan’ny ekipan’ny MNP toerana fitrandrahana safira tao amin’ny Fokontany Antsambalahy, Kaominina Antsaravibe, Distrikan’Ambilobe. Tra-tehaka teo am-pitrandrahana ireo mpitrandraka safira. Avy ao amin’ireo lavabato izay ao anatin’ny valanjavaboahary no hakan’izy ireo ny fotaka izay sivanin’izy ireo mba ahazoana ireo safira ireo. Hisy ny fanadihadiana lalina miaraka amin’ireo miaramila sy zandary ao amin’ny Kaominina Antsaravibe mahakasika ity raharaha ity.
