Dépêches

Sarona ireo andian-dahalo mpandroba sy mpampihorohoro tao Ambato Boeny.

06 Jolay, 12h00. Fiaraha-miasa tamin’ny vahoaka no nahafan’ny mpitandro filaminana nahatratra ireto jiolahy ireto. Nanao velam-pandrika ireo miaramila tao Andranofasika, distrikan’Ambatoboeny tao aorian’ny nahalalany ny tanàna fitobian’ireto dahalo ireto, ka voasambotra ny 3 jolay teo. Hita tao nan-tranon’ireto dahalo ireto ny ody fampiasany nandritra ny fidinana nataon’ny mpitandro ny filaminana. Mbola nisy kosa anefa ireo tafatsoaka tamin’izany ary efa mitohy ny fikarohana.

Laisser un commentaire