Nahazo rano fisotro madio ny fokontany Antoby Atsimo
06 Jolay, 12h15. Tonga ao amin’ny fokontany Antoby Atsimo ny rano fisotro madio rehefa nisedra olona nandritra ny fotoana maro noho ny hahavon’ny toerana ka mahamora ritra ny rano. Ny Minisiteran’ny rano, ny fanadiovana, ary ny fidiovana ary fikambanana maromaro no niara nisalahy tamin’ity famatsiana rano ny fokontany ao Antoby Atsimo distrikan’Ambohidratrimo, Faritra Analamanga ity. Rano 30m3 isan’andro avy amin’ny lava-drano no vokarina amin’izany izay mahasahana mponina 750. Misitraka izany koa ny mpianatra ao amin’ny EPP an’ity fokontany ao amin’ny kaominin’i Antanetibe Mahazaza ity. Lavadrano, paompy fampakaran-drano mandeha amin’ny taramasoandro, trano iray misy ny milina teknika, fitahirizan-drano mahazaka 20 m3, tambajotra fitarihan-drano mipaka any amin’na kioska fizaran-drano 7, ary toerana fanasan-damba izany avy ny foto-drafitr’asa niaraka tamin’ity famatsiana ity.
