Mihitsoka ny toham-boivoy andrenivohitra
Mitohana tanteraka ny fiara io maraina io raha ny manodidina ny Antananarivo renivohitra no ho resahina. Ny fiara ve no miha maro sa ny lalana eto andrenivohitra no tery ? Raha ny hita koa anefa dia mihabetsaka hatrany ireo fiara avy any ivelany ka mitarika ny fitohanan’ny fiara lava reny. Etsy ankilany anefa, noho ny fiakaran’ny vidimpiainana dia maro ireo mpivarotra amoron-dalana manery ny lalan’ny mpandeha, hany ka lasa eny amin’ny arabe ireo mpandeha tongotra no mandeha ka voatery hitandrina manalefaka ny hafainganam-pandeha hatrany ireo mpitondra fiara sy moto, raha tokony handeha mafy kokoa mba tsy hisian’ny fitohanana.
Nathalia Rasoarilala
