Lozam-pifamoivoizana tao Manjakandriana
10May, 15h55. Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tamin’iny RN2 iny tokony ho tamin’ny 3ora tolakandro teo. Fiara iray avy any Mantasoa no nifandona tamina fiara kely teo Ambanitsena Manjakandriana. Olona 5 no naratra fa tsy nisy kosa ny aina nafoy. Fisongonana sy fandehanana mafy no nitarika ny loza raha ny fanazavana.
