Nodimandry i Kaomisera Ranaivoson Alexandre
07 May, 11h05. Misaona indray ny ao amin’ny polisim-pirenena, namoy ny ainy ny harivan’ny 6 Mey teo i Kaomisera Ranaivoson Alexandre Sylvain. Mpiandraikitra ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana eo anivon’ny Polisim-pirenena izy izao lavo amperinasa izao. Fantatra eo amin’ny tontolon’ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety ary fifanakalozam-baovao i Kaomisera. Mirary fiononana feno ho an’ny hava-aman-tsakaizany.
