Somalie : Manakiana ny fanalavana ny fe-potoana hiasan’ny filoham-pirenena ny fikambanana iraisam-pirenena
Nifidy ny hanitarana ho roa taona ny fotoam-piasan’ny filoham-pirenena ny antenimeram-pirenena any somalie. Tokony ho tapitra ny fiandohan’ny volana febroary lasa teo anefa ny fetram-potoam-piasan’ny filoham-pirenena any an-toerana. Nandritran’ny volana maromaro no nanao fifanarahana tamin’ny mpanohitra sy ny faritra federaly tany an-toerana ity filoham-pirenena somalianina ity, tsy tonga akory tamin’ny fifanarahana amin’ny mety ho fikarakarana ny fifidianana anefa izany ka antony nifidian’ny eo anivon’ny antenimeram-pirenena ny hanitarana ny fotoam-piasany. Nilaza anefa ireo fikambanana iraisam-pirenena fa tsy mety ny hataon’ireto farany amin’ny hanitarana ny fotoam-piasana. Tokony hisy aloha hoy izy ireo ny fifanarahana sy ny fifampiresahana momban’ny fifidianana satria mety hiteraka korontana indray io fanapahan-kevitra io.
