Jordanie : Adim-poko sy fisamborana ao amin’ny fianakavin’ny mpanjaka
Nanambara ny fandavany ny fiampangana azy ho nandray anjara tamin’ny fanonganana ny mpanjaka Abdallah II ny printsy Hamza tao amina horonantsary iray nomena ny fahitalavitra BBC. Olona 2 akaiky ny fianakavian’ny mpanjaka ihany koa no nosamborina ny sabotsy 03 aprily lasa teo ho fiarovana azy ireo hoy ny avy eo anivon’ny tafika. Efa voasambotra mihitsy ny printsy Hamza manoloana ny fanonganana an’i Abdallah II. Nolaingan’ny Etat-major tao an-toerana kosa anefa izany raha ny fanazavana. Nambaran’ny printsy Hamza fa tsy nandray anjara velively tamin’ny fanonganana ny mpanjaka (rainy) tao an-toerana ny tenany. Izy izay tsy mandova intsony ny fanjakana raha ny fanazavana. Ny mpisolo vava azy no nanatitra ilay horonantsary tany amin’ny fahitalavitra BBC. Tsy nisy fanazavana fanampiny kosa mahakasika ny mety ho anton’ny fanonganam-panjakana natao na koa hoe iza no tao ambadik’ilay raharaha. Mbola voatozona any amin’ny manam-pahefana kosa ireo olona 2 avy ao amin’ny fianakavian’ny mpanjaka. Mitohy ihany koa ny fanadihadiana.
