Nouvelle-Zélande : Mety higadra mandrapahafaty i Lauren Dickason
Notsaraina ny herinandro lasa teo i Lauren Dickason, 42 taona manoloana ny raharaha famonoana ny zanany telo vavy tao an-tranon’izy ireo ao Timaru. Raha tsiahivina dia ny vadiny Graham Dickason no nahita razan’izy telo vavy sy io renim-pianakaviana io tsy nahatsiaro tena tao an’efitranony. Niantso manam-pahefana avy hatrany ny tenany saingy efa maty avokoa ireo ankizy.
Raha ny fanazavana dia nokendain’i Lauren Dickason tamin’ny « colliers de serrage » ireo zanany ary nosemporiny tamin’ny ondana talohan’ny namonoany tena saingy tsy maty izy. Raha ny nambaran’io renim-pianakaviana io dia tsy nieritreritra ny ho velona intsony ny tenany. Raha ny fanazavan’ny mpitsabo saina nanaraka ny fahasalamany kosa dia voalaza fa sedran’ny « dépression post-partum majeure » i Lauren Dickason ary nitarika azy anao io fihetsika io izany.
Afaka andro vitsvitsy no hivaly fitsaran’i Lauren Dickason ary mety higadra mandrapahafaty izy.
