PolitiqueTsidika

Miteraka resa-be ilay « mpanao clip lasa Ministra »

Tontosa ny 17 aogositra lasa teo ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Minisitry ny mponina sy ny fiantohana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy teo aloha, Michelle Bavy Angelica sy ny Minisitra vaovao Siafilira Princia.

Taorian’io dia nivoaka nanerana ny tambajotran-tserasera ny horonantsary miampy fanaratsiana ity Ministra vaovao ity izay tao anaty hiran’i Tsiliva mitondra ny lohanteny hoe « Josephine ». « Misy hafahafa mihitsy ao an-dapa ao, olona mpanao clip sy mpandihy no lasa Ministry ny mponina izay tena tokony hifandray akaiky ny vahoaka » hoy ny sasany.

Testy an-kilany, nilaza ny hafa fa « Tsy hitako izay olana raha mpanao clip izy, fa angaha raha mpanao clip dia tsy mendrika ny ho Ministra ? Ory hava-manana mihitsy ny gasy sasany ». Tsy nangina ihany koa ny Ministra fa nanome ny valin-kafatra. « Ataoko angamba fa samy nandalo tamin’ny fahatanorana daholo isika rehetra » hoy izy raha nanontaniana ny mikasika ireo horonantsary ireo. Inona tokoa ny olana ? Tanora izy ary manana zo hanao izay tiany tamin’izany fa isika koa no zara aza misy hisintomana lakolosy. Ny asa vita no hifampitsarana fa tsy ny lasa akory, ka na mpampandihy aza mety ho lasa filoham-pirenena rehefa lanim-bahoaka.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire