Homendanja ny sehatry ny harena anaty rano
Sehatra iray mahavelona anefa mbola tsy dia mahazo lanja ny sehatry ny harena anaty rano. Isan’ny sehatra iray ahafahana manarina ny toe-karena sy hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ihany koa izy io raha ahitana lalana.
Tsy niandry ela fa tao aorian’ny fifamindram-pahefana dia efa nanao fanambarana ny Minisitry ny Jono, Mahatante Tsimanaoraty Paubert fa « tanjona ny hanatsara sy hanitatra lalam-pihariana amin’ny sehatra anaty rano amin’ny fiaraha-miasa amin’ny mponina ifotony ». Azo anaovana fintantanana maharitra sy azo havaoizana tokoa raha ity sehatry ny jono sy ny harena ankibon’ny tany ity, ilaina paik’ady maharitra sy mitobina anefa izany mba hisian’ny fitohizan’ny hezaka fampiroboroboana azy.
« Afaka hampandraisana andraikitra tsara ireo tanora ary fanomezana asa azy ireo ihany koa ity sehatra ity, hafaka tsara ihany koa izy hoentina miady amin’ny tsy fanjaraian-tsakafo izay mianjady amin’ireo mpiray tanindrazana » hoy i Richard, mpianatra ao amin’ny IHSM Toliara.
« Tsy voatery haindry ireo vahiny sy mpiray ombon’antoka tokoa raha hitrandraka ireo harena ankibon’ny tany isika fa maro ireo teknisianina sy injeniera mahay afaka manome fampiofanana ireo mpitrandraka sy te hitrandraka ny sehatry ny fanjonoana na andranomamy na andranomasina, ka hampa mahatianina ireo vahoaka eny ifotony » raha nilaza ny heviny i Meltine, mpiasan’ny jono.
Mba hifanaraka amin’ny fitombon’ny mponina ny filana, dia mila mamokatra mifanaraka amin’izay isika ka paikady entina ny fananganana ivon-toeream-piofanana manerana ny Nosy, fa tsy ampy ny fomba nentim-paharazana mahazatra, ary mila manaraka ny firoboroboan’ny teknolojia ihany koa
Fanja Rakotoarisoa
