ActualitésTsidika

Coupe Ondry : Ny avy ao Ambatofolaka no nandrombaka ny amboara ho an’ny sokajy Senior tao Anjeva

Norombahan’ny ekipa avy ao Ambatofolaka ny coupe ondry ho an’ny sokajy senior tao Anjeva Gara. Gisa lehibe kosa no azon’ny ekipa faharoa tamin’izany.

Miarahaba ny ekipa avy ao Ambatofolaka nahavita tsara ny lalao. Notolorana tsato-by ihany koa izy ireo ampiasaina ao amin’ny fokontany rehefa misy lalao. Nahazo baolina ihany koa. Isaorana ny Tannerie d’Anjeva, mpiara-miombon’antoka sy ireo mpikarakara rehetra » hoy ny ben’ny tanàna ao Anjeva, Raoeliarison haja Yves. « Manaksitraka ny avy ao amin’ny kaominina fa tena manohana be tokoa ianareo. Hirariana hiroborobo hatra ny ny sehatry ny baolina kitra eto amin’ny tanàna mba ho reharehan’Anjeva » hoy ny avy ao amin’ny ekipan’Ambatofolaka.

Marihana fa azon’ny Antanetibe kosa ny amboara ho an’ny latsaky ny 17 taona. Nahazo gisa izy ireo raha to aka i Mangarano no faharoa tamin’izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire