SocialTsidika

19 Aogositra : Andro maneran-tany ho an’ny fakana sary

Efa mahazo vahana eto amintsika ny resaka « photographie » ary tena mahaliana tanora maro mihitsy aza. Ny 19 aogositra no andro maneran-tany natokana ho an’izany. Ny photographie dia fitambaran’ireo teknika sy dingana ary fitaovana mba hahafahana maka sary iray. Azo lazaina ho zava-kanto izy io satria samy manana ny mampiavaka azy ny mpaka sary tsirairay ary indrindra ny fahaiza-manaony.

« Ilaina ny fandrafetana an-tsary ny zava-nisy niainana satria ny teny mandala fa ny soratra mitoetra ary ny ora mora lasa fa ny sary no azo anaovana tahiry ny ora lasa » hoy i Teddy, mpaka sary. « Andro izao hampisehoana ny talenta, mazotoa maka sary fa arakaraka ny fahazarana no mitondra antsika any amin’ny matianina kokoa » hoy i Samuel, mpampianatra serasera. « Mandeha mihitsy izao ny fakana sary satria efa betsaka no liana aminy indrindra ireo mpanao facebook hanovana ny fanehoana ao anatin’izany tambajotran-tserasera izany » hoy i Vero, renim-pianakaviana mampiasa Facebook. Kanto ary mampiala voly ny fakana sary, efa an-taonany maro no nisy ny fakana sary ary ny 19 aogositra no andro natokana hahatsiarovana azy ireny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire