Nanao fanentanana ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana ny Zandarimaria tany Itasy
Matetika loatra tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana amin’iny lalam-pirenena voalohany iny izay vao tsy ela akory no nahafatesan’olona nikasa andevina. Nandray fepetra ny Zandarimaria any amin’iny afritra Itasy iny manoloana ny fiakaran’ny tahan’ny lozam-pifamoivoizana any an-toerana ka nanao fanentanana ireo mpampiasa lalana.
Nomena fampitandremana ireo fiara tsy manaja ny lalàn’ny fifamoivoizana ary nahatratra 290 ny fiara voaentana nandritra ny hetsika ary kodiaran-droa miisa 75 sy tongo-malady 54 ary sarety 18 fa tsy adino ireo mpandeha tongotra izay voakasika ao anaty ny fanentanana ihany koa. « Mankasitraka ny mpanentana izahay ary manome toky fa hankatoa ny toro-lalana sy hanaja ny lalàn’ny fifamoivoizana mba hitandrovana ny loza » hoy ireo mpampiasa lalana. « Hotohizana hatrany ny fanentanana ho an’ny faritra Itasy sy ny mpampiasa iny lalam-pirenena voalohany iny, tadidio fa lahitokana ny aina ary izay tongasoa no arabaina » hoy ny Zandarimaria any amin’, ny faritra Itasy. « Tadidio mandrakariva ry mpamily fa ain’olona maro no mainkina aminao mandritra ny familiana ka tokony hitandrina hatrany eny am-pandehanana » hoy i Rosette, mponina teny amin’ny manodidina. Mila mitandrina tokoa isika mpampiasa lalana na aiza ion a aiza, mila fitsirihana hatrany ny lafiny ara-teknika amin’ny fiara mialohan’ny hiaingana.
Ny fandehanana mafy sy ny fimamoana ihany koa ary ny faharerahana no tena mahatonga ny loza matetika ka aoka hisoroka izany isika. Tena hisy akony tokoa ve izao fanentanana ataon’ny Zandary izao ?
Nicole Rafalimananjara
