Isotry : Tratra ireo mpanendaka mpanao herisetra
Nahatratra andian-jatovo mpanendaka miisa dimy ambin’ny folo ireo polisy nanao fanamiana sivily teny Isotry. Valo ambin’ny folo taona ny zandriny amin’izy ireo raha toa ka telo amy roapolo taona kosa ny zokiny. Tsy mionona amin’ny fangalarana fotsiny ihany ireto mpanendaka ireto fa mandratra olona amin’ireo sabatra sy antsy ampiasain’izy ireo mihitsy. Betsaka ireo polisy nanao fanamiana sivily teny an-toerana ka nanamora ny fisamborana azy dimy ambin’ny folo lahy. Marihana fa maro tamin’izy ireo no efa nifonja.
Efa leo ny halatra sy herisetra mihatra eto amin’ny tany sy ny firenena ny vahoaka, toa an’i Ravo: « Tsy mifidy endahana mihitsy ireny mpanendaka ireny fa na olona efa antitra avy maka pension aza ataon’izy ireny, tokony atao mafimafy mihitsy ny sazy miandry azy ireny ». « Tsara tapahan-tanana any mihitsy ireny mpanendaka ireny na asaina manao asa an-terivozona mandrapahafatiny fa mampijaly ny vahoaka’’ hoy kosa Bernard.
Tokony ataon’ny polisy matetika ny fidinana ifotony tahak’izao. Ilaina ihany koa ny manatsara ny taktika enti-misambotra ireo mpanao ratsy mba hahatratrarana haingana azy ireny. Manoloana ny sazy mihatra amin’ny ireo meloka kosa, tokony atao mafimafy ny sazy mihatra amin’izy ireny. Marina fa manana ny zony izy ireny fa saingy raha efa ataony fanao ny fangalarana, tokony ampitomboana ny saziny. Mariky ny fahantran’ny firenena iray hono ny fisian’ny mpangalatra miompampana ao aminy, tsy hanankarena mihitsy ve izany i Madagasikara amin’izao fitomboan’ny mpangalatra etsy sy eroa izao ?
Tsangy Randriamampianina
