ActualitésTsidika

Tontolo iainana : maloto ny rivotra eto andrenivohitra

Nahatsikaritra ny fahalotoan’ny rivotra iainana eto andrenivohitra ny avy tao amin’ny sampam-pikarohana ny toetr’andro.

Nanomboka ny 6 aogositra lasa teo no nahitana rivotra maloto teto andrenivohitra noho ny fisian’ny « PM 2. 5 » na ny « particules fines » raha amin’ny teny frantsay. Ity singa kely ity izay tena mandoto ny rivotra iainana ary tena tsy mety amin’ny fahasalaman’ny zaza, ny vehivavy bevohoka, ny olona antitra sy ireo marefo ara-pahasalamana. Raha tsiahivinan ny 6 hatramin’ny 10 aogositra lasa teo nahitana ity singa ity nanerana ny renivohitra izay efa nihoatran’ny 12 microgramme isaky ny metatra tora-3 na 12 microgramme/m3 ny refin’ity singa mitondra loto ity tany Ampandrianomby, Ambohidahy, Andraharo, Andramonena sy Ambatobe, izay fetra farany ambony heken’ny fikambanana iraisam-pirenena momban’ny fahasalamana na ny OMS. Ny teo Ambohidahy aza moa efa nahatratra 56 microgramme /m3.

« Roa andro lasa izay no nihatsara ny rivotra noho ny fiparitahan’ireo singa mandoto ny rivotra ireo ka mandritra ny ity herinandro ity dia ho toy izay zava-misy raha tsy misy fiovana. » hoy Zo Andrianina, mpanao fikarohana momban’ny toetr’andro. Mpitsabo iray no nilaza fa ny fiharihariana amin’ity rivotra ity ao anatin’ny 24 ora dia mety hanimba ny avokavoky ny olona indrindra ireo marefo sy manana olana amin’ny fitaovam-pisefoana.

Mila ny fahatongavan-tsainan’ny rehetra ny resaka fahalotoan’ny rivotra ity satria tena loza raha mitohy foana ny zavatra toy izao indrindra rehefa mihabetsaka ny olona mifanerasera na anaty trano mihiboka na eny an-dalambe. Ilaina tanteraka ny fiarovana ny tontolo iainana fa isika ihany no may ny afo natsangantsika eto raha mitohy ny fanimbana izany.

Anja Raharimalala

Laisser un commentaire