Hapetraka araka ny tokony ho izy ny vidim-bary, hoy i Razafindravahy Edgard
Hifampidinika amin’ny tantsaha any Ambatondrazaka sy Amparafaravola mikasika ny amin’ny tokony hametrahana ny vidim-bary araka ny tokony ho izy ny Minisitry ny Indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, Razafindravahy Edgard, ny alakamisy 19 aogositra ho avy izao.
Ny vidim-bary manko no nolazainy fa laharam-pahamehana eo amin’ny fiainam-bahoaka. « Ny vidim-bary no laharam-pahamehana ary tsy hanova ekipa teknika eo anivon’ny Ministera aho fa ilaina kosa ny fahaiza-manao sy mangarahara lavitry ny kolikoly » hoy izy anndritra ny fandraisany ny fintantanana ny Ministera. « Tsy ny vary ihany fa betsaka no azo hasolo ny vary fa ny vidim-piainana mihitsy no tena tokony ho jerena indrindra ireo entana tsy maintsy ilaina isan’andro » hoy i Clarisse, renim-pianakaviana. Nilaza kosa i Olga izay renim-pianakviana iray fa “Foto-tsakafon’ny gasy ny vary ary tsy maintsy hohanina isan’andro, ny fividianana azy io no tena mandany vola ka tokony hojerena akaiky mihitsy ».
Mila tosika ihany koa anefa ireo tantsaha satria nty vary volena eto efa fantatra fa tsy mahasehaka ny mponin’i Madagasikara ka eo ihany koa ny fanafarana. Vahaolana ve ny firesahana amin’ireo tantsaha sa ny resaka fambolena no mila ampitomboina mba hahabetsaka ny vary ka hampihena ho azy ny vidiny?
Nicole Rafalimananjara
