Ampandratokana – Ihosy: Nahazo tohana ara-pitaovana ireo tanora Agents Communautaires Forestiers (ACF)
Nahazo tohana ara-pitaovana ireo tanora mpiasa an’ala na Agents Communautaire Forestiers (ACF) miisa 40 nanaraka ny fiofanana ny volana Mey lasa teo. Tanora miisa 40 no nahazo fiofanana mahakasika ny famokarana arina ekolojika sy zanakazo ary ala Vadim-boly sy ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro ary ny fiarovana ny tontolo iainana ny volana Mey 2021 teo tao Ihosy.
Avy ao amin’ny distrika telo ao amin’ny faritra Ihorombe izy ireo: Ihosy, Iakora ary Ivohibe. Mba hahafahan’ireo tanora 40 nahazo fiofanana manomboka miasa sy mamokatra dia nomena fitaovana fikarakarana zanakazo toy ny “caissettes”, fitaovana famendrahana (pulvérisateurs), lapelina, borety, famaky… Ary koa ny milina famokarana arina ekolojika toy ny “compresse manuelle” sy ny masomboly izay ahitana kafe, papaya, acacia, eucalyptus. Nisaotra sy nankasitraka ireo tompon’andraikitra isan-tsokanjiny ny solontenan’ireto tanora ACF ireto. ”Tena mampahavitrika anay tokoa ny fanohanana atao toy izao ary fanomezan-danja ny asan’ny mpiasan’ala izao ka mankasitra tanteraka izahay » hoy ny fanehoan-kevitry izy ireo. Ny 13 Aogositra 2021 no nanolorana izany tao main’ny biraon’ny fitaleavam-paritra rezionaly ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra na ny Direction régionale de l’environnnement et du développemenyt durable (DREDD) Ihorombe vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny DREDD Ihorombe sy ny FORMAPROD amin’ny alalan’ny CRFAR na ny Conseil regional de la Formation Agricole et Rurale Ihorombe.
Sitraka Rajaonarivony
