Manimba ny firenena ny fisian’ireo mpiasam-panjakana « matotoa »
Isan’ny olana lehibe eo amin’ny Ministeran’ny toe-karena ny fintantanana sy ny fandoavana ny karaman’ireo mpiasam-panjakana amperinasa sy ireo efa misotro ronono. Nampitombo betsaka ny olana ny fisian’ireo mpiasam-panjakana miafina na ny « fonctionnaire fantôme » ka andrasana amin’ny Ministra vaovao ny fanganana paik’ady ho amin’izany.
« Mandeha ny amin’ny tsy izy ny fandoavana karama ireo mpiasa, misy ireo tsy miasa nefa mikarama, misy ireo mihoatra ny tokony ho izy ny karama ka ny fidirana amin’ny fampiasana nomerika no vahaolana » hoy ny Ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. « Ny fisian’ireo mpiasa mandray karama nefa tsy miasa ireo no tena mampahantra antsika, kamo tsy te hisasatra ny gasy nefa te hanana, izany toe-tsaina izany no tena tokony ovaina eto amintsika ary paik’ady amin’ny fanovana izay toe-tsaina izay » hoy i Bary, Mpandinika ny raharaha eto Madagasikara. « Kamo be tenda, mpandany ny volam-bahoaka, izany no iantsoako ireo ka tokony hisy ny fanaraha-maso akaiky ataon’ireo tompon’andraikitra » hoy i Hasina, mpahay toe-karena.
Ny fanjakana tokoa ve no tsy manara-maso ny mpiasany sa ny ratsy tokoa tsy kely lalana? Manabotry ny firenena ny tahaka izany, aoka izay niasana sy nisasarana ihany no hivelomana.
Nicole Rafalimananjara
