Mikarakara fifaninana antsoina hoe « défi inter Alliances » ny avy ao amin’ny Alliances Françaises eto Madagasikara.
Nataon’ny Alliances Françaises ny fampahafantarana izany fifaninana izany tao amin’ny pejy fesibokiny. Ity fifaninana ity izay kilalao miendrika « Quiz » amin’ny aterineto ka ao amin’ny « Kahoot » no misy azy ary azo lalaovina amin’ny solosaina sy « tablette ». Ilay kilalao kosa dia famaliana fanontaniana amin’nylohahevitrasamihafa manomboka amin’ny kolontsaina frantsay ka hatramin’ny horonantsary, ao anatin’izany koa ny resaka sakafo sy ny literatiora frantsay.
Hatao amin’ny 18 septambra ho avy izao ny fifantenana voalohany izay atao any amin’ny faritra tsirairay avy misy ny Alliances Françaises ka 20 no fanontaniana amin’izany ary olona 2 isaky ny Alliances no hotafiakatra amin’ny dingana famaranana ny 16 oktobra, 25 kosa ny fanontaniana.
Fifaninana natao ho an’ny tanora mihoatra ny 16 taona ary manana farafaratsiny ambaratonga B1 hoy ny mpikarakara. Ary nampian’izy ireo fa ireo olona roa mandresy amin’ity fifaninana ity dia hiatrika ny fifaninana iraisam-pirenena eo amin’ny Alliances Françaises any amin’ny firenena ka fanontaniana 30 no apetraka amin’izany. Fivahiniana 15 andro an’ny Alliances française any Rouen Frantsa kosa ny lokan’izay maharesy amin’ity fifaninana nationaly ity hoy ihany nyfanampim-pahazavana.
Tsara sady mety ahafantarana zavatra momban’i Frantsa ity fifaninana ity ary hampitombo fahalalana koa kanefa mety misy tanora na ankizy te handray anjara amin’ity kilalao ity saingy tsy mpikambana ao amin’ny Alliances françaises izay tokony jeren’ny ao amin’ny Allliances ny momban’izy ireo. Tokony halain-tahaka koa ny fifaninana toy ity, amin’ny resaka teny malagasy sy ny kolontsaina malagasy satria mbola maro ireo tompon-trano mihono amin’izany.
Anja Raharimalala
