SocialTatitra

Haïti : Efa manakaiky ny 1 300 ny isan’ireo matin’ny horohoron-tany

Mihamiakatra hatrany ny antontan’isa ao Haïti, 1297 indray ny isan’ireo ofisialy nivoaka ny alahady teo ary 5700 ny naratra. Raha tsiahivina dia nisehoana horohoron-tany 7,2 tao atsimo andrefan’ny firenena ny sabotsy teo tamin’ny 8 ora 29 (12 ora 29 GMT).

Trano 30 000 no rava tamin’izany. Mbola mitohy ny fikarohana ao an-toerana ary mifanome tànana amin’izany ny mpamonjy voina sy ny mponina saingy raha ny nambaran’ny miandraikitra ny toetrandro ao nasionaly ao Etats-unis dia ho voasakan’ny tafiho-drivotra miandry ny firenena anio alina hatramin’ny talata izao izany. Izay ahiana hitarika oram-be sy tondra-drano ao an-toerana.

Laisser un commentaire