Nisy haintrano tany Fianarantsoa
Nitrangana haintrano mahatsiravina tao Ambatotsidikaina Andrainjato ny alakamisy 12 aogositra 2021. Araka ny tatitry ny tompon-trano dia akoho fakàna nofo 600isa no indray may tao anatin’ity haintrano ity. Nisy ihany koa lelavola 9tapitrisa ariary sy antontan-taratasy maro tavela tao an-trano no lasa lavenona avokoa. « Naharay antso izahay fa misy haintrano eny Ambatotsidikaina ka niezaka nandeha haingana sy nanao izay hifehezana ny afo izahay » hoy ireo mpamonjy voina avy ao amin’ny Oniversite Andrainjato. « Vokatry ny fiompiana akoho fakana nofo izay tsy maintsy mila afo hanafana azy no nahatonga ny firehetana » hoy ny mponina teny amin’ny manodidina. « Tsy nisy aina nahafoy fa an-tapitrisany kosa ny fahasimbana » hoy ny solontenam-panjakana any an-teorana. Izany indrindra no hampitandremana antsika mampiasa afo mba ho malina hatrany rehetra misy atao. Tsy kilalao mantsy ny afo ary fotoana fohy aza dia ho ringana ny nohariana nandritra ny taona maro.
Nicole Rafalimananjara
