PolitiqueTsidika

Hiala amin’ny fiankinan-doha amin’ny fanampiana lava isika

Nodinihin’ireo Solombavambahoaka ary nolaniana nasiam-panitsiana sy nasiam-panovana androany faha 12 aogositra ny Volavolan-dalàna laharana faha 16/2021 mametraka ny « fonds souverain malagasy ».

Ny tanjona dia ny hialàna amin’ny fiankinan-doha amin’ny fanampiana avy any ivelany. Nilaza ny Minisitry ny fitantanam-bola fa « ampiasaina ho famatsiama ireo tetik’asa entina mampandroso ny firenena izany vola izany ary sehatra marolafy no tafiditra ao anatiny ». « Izao lalàna izao no mametraka ireo loharanom-bola amin’ny fampiasana ny volam-panjakana » hoy ny solombavambahoaka iray.

« Hitombona ve izany isika tsy iankin-doha amin’ny any ivelany izany? Raha izany no izy dia handroso amin’izay” hoy ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena iray. Marihina fa ny « principes de Santiago » no fitsipika arahina, izay mametraka ireo fenitra momba ny kaonty sy ny etika amin’ny fitantanana. Mila manana ny toe-tsaina tia mahaleo tena aloha vao tena mahaleo tena, efa dingana iray ny tahaka izao hizorana any amin’ny tena fandrosoana marina. Fa ho vitantsika tokoa ve ? 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire