SocialTatitra

Pays Baltes : Manamafy ny fepetrany manoloana ny mpifindra monina Biélorussie i Lituanie sy i Lettonie

Olona 200 no niditra tao Lettonie tao anatin’ny 24 ora ny talata teo. Tsy niandry ela ny tao an-toerana fa nametraka hamehana vonjy taitra teo amin’ny sisin-tany iraisany amin’i Biélorussie. « Midika izany fa mikatona ho an’ny rehetra ny sisin-tany eo amin’i Lettonie sy Biélorussie » hoy ny minisitra letton Krisjanis Karins.

Ho an’i Lituanie ihany koa dia nanamafy ny fepetra manoloana izany izy. Nandany ny lalàna fanamboarana fefy eo amin’ny sisin-tany iraisany amin’ny Biélorussie ny parlemanta. « Mila manana sisin-tany matanjaka sy azo itokiana isika farany izay haingana isika » hoy ny Minisitry ny atitany Agne Bilotaite.

Laisser un commentaire