SocialTsidika

Fanatsarana ny fampianarana : nohatsaraina ny EPP Ambatomintsangana Analavory

Nahazo efitrano efatra vaovao ny EPP Ambatomitsangana kaomina Analavory ny herinandro lasa teo avy tamin’ny Fondation Adsum avy any l’Irlande de Nord.

Tetikasa ho fanatsarana ny lafin’ny fampianarana nataon’ity fikambanana iray ity izay miaraka amin’ny ON Madagascar nitentina 100 tapitrisa ariary tamin’ny asa fanamboarana ny efitrano fianarana izay manaraka ny fenitra ary ny fanarenana ireo efitrano izay efa hita fa tena tsy azo ampiasaina intsony. Mpianatra 593 tamin’ity EPP ity koa no nahazo ny fitaovam-pianarana sy boky momban’ny fianarana izay nitentina 9 tapitrisa ariary avy amin’ny Fondation Adsum.

Nankasitraka ny fikambanana Adsum moa ny ray aman-drenin’ny mpianatra manoloana izao asa soa nataon’izy ireo izao satria sady nahazo efitrano fianarana no mbola nahazo fitaovam-pianarana ihany koa. Ny Fondation Adsum kosa tetsy andaniny nilaza fa tena ilaina amin’ny fianaran’ny zaza ny fananana efitrano tsara sy manara-penitra mba hampivelatra sy hampazoto an’izy ireo hianatra. Ny mpitantana an’ny amin’ny kaomina Analavory dia naneho ny fisaorany an’ity fikambanana ity ny amin’ny fanomezana lehibe izay natolotr’izy ireo ho an’ny zaza Malagasy.

Tena mila fanarenana sy fananganana ny EPP maro eto Madagasikara satria tena betsaka ireo faritra no manana fotodrafitrasa efa samba sy niorondana indrindra fa misy ireo izay tena tsy manana toeram-pampianarana mihitsy ka tokony manampy hatrany ny sekoly fototra ny fiton dram-panjakana mba hampitombo ny isan’ny zaza miditra an-tsekoly ary mba hanenana ny olona tsy mahay mamaky sy manoratra.Kanefa ilaina koa ny fandefasan’ireo ray aman-dreny ny zanany an-tsekoly fa tsy ataon’izy ireny hanampy azy amin’ny fitadiavana.

Anja Raharimalala

Laisser un commentaire