Tsy mbola maharisika ny vehivavy handeha hitsara miaramila
Ho volana natokana ho an’ny fitsarana miaramila ity volana aogositra ity raha ny fanambarana nataon’ireo ao amin’ny Ministeran’ny Fiharovam-pirenena.Nanomboka ny Alatsinainy 02 aogositra teo ny fitsarana miaramila fao be raha ho an’Antananrivo renivohitra,tsy hifarana izany raha tsy ny 29 aogositra ho avy izao,hetsika izay atao eny Betongolo. Izy ity dia hetsika izay tokony tsy maintsy andraisan’ireo olom-pirenena vehivevy sy lehilahy manomboka ny 18 taona ka hatramin’ny 30 anjara. « Tsy voatery ho lasa miaramila daholo anefa ireo izay mitsara miaramila fa safidy ny amin’izany »hoy ireo tompon’andraikitra.Namoka fanambarana anefa ry zareo teo anivon’ny DSNGR ny alatsinainy lasa teo fa isy ny fiatohan’izany hetsika fitsarana miaramila fao be izany ny zoma 13 aogositra ho avy izao nohon’ny fanondrahana ranom-panafody ny toerana. Izany no natao mba ho fanajana ireo fepetra sy lamina izay efa napetraka mialoha sy ho fitsinjovana ny ain’ireo tanora Malagasy amin’ny tsy hiparitahan’ny valan’aretina covid-19. »Mbola tsy maharisika ny vehivavy Malagasy ny andeha hitsara miara-mila hetreto.Satria raha ny antontan’isa voarakitra dia mbola 14 037 no vehivavy efa nitsara miaramila hatramin’ny nanombohan’ity hetsika ity.Izany hoe mbola latsaky ny 30% ary ambany io isa io raha miohatran’ny taham-pahavitrihan’ireo vehivavy tamin’ny taona lasa » hoy hatrany ireo tompon’andraikitra. « Hinoana ny ahitana taha-piakaran’izany ato anatin’ny herinandro izay mbola hitohizan’ny hetsika satria tsy mbola misasaka izany ». »Tsy marisika tokoa ny vehivavy amin’ny fitsarana miara-mila satria mihevitra izy ireo sao voatery tsy maintsy anao izany asa izany,asa izay tsy hoe ratsy fa mbola sehatra tsy dia natokana ho an’ireo vehivavy tsy mandray ravin-dena, anefa dia ireo karazam-behivavy ireo no zary lasa hakamaroan’ny vehivavy ankehitriny »hoy i Olivier, tovolahy avy nitsara miaramila.“Tsy ampy ny fanentanana sy ny fanazavana mahakasika ity hetsika ity, hany ka lasa mandray an-tendrony ny tanora hoe tsy maintsy ho lasa miaramila izany rehefa avy mitsara, na koa mihevitra izy ireo fa misy ny sedra ara-miaramila hampanaovina azy ireo rehefa tonga eny an-toerana hany ka lasa sakana iray tsy mamparisika azy ireo ny tsy fahampian’ny fanazavana »hoy kosa i Prisca.Adidy tsy maintsy ataon’ny tanora ny fandehana mitsara miaramila raha tafiditra ao anatin’ny salan-taona tokony hanao izany izy.Anisan’ireo taratasy takiana ny fanana karatra maintso rehefa ikarakara atontan-taratasy ara-panjakana tahakan’ny pasipaoro.
Fanja Rakotoarisoa
