Social

Nandray fanapaha-kevitra ny tsy hampianatra zanaka miaramila intsony ny mpampianatra ao Belo Tsiribihina.

Tao aorian’ny herisetra nihatra tamin’i Zeze izay mpampianatra iray ao Belo Tsiribihina dia nanapa-kevitra izy ireo fa hanajanona ny fandraisana ireo zanaka miaramila amin’ity taom-pianarana ho avy ity aloha mandra-piandry ny vahaolana.

Nividy omby teny amin’ny tsenan’omby tao Beraketa izy no niharan’ny herisetra nataon’ny miaramila ao amin’ny toby faha-510 any an-toerana. Miaramila mamo avy namonjy fety fiakarana galona ny iray tamin’izy ireo no fototr’izao herisetra izao: nasain’ireo miaramila nanao « couchez-vous » ny olona rehetra tao an-tsena ka voadaroka avy hatrany izay tsy nanaiky ka i Zeze Mpampianatra no anisan’ireo naratra mafy satria nahasahy niteny ny tsy fahamarinan’ny nataon’ireto farany hany ka voatery naiditra hopitaly mihitsy.

Manao didiko fehy lehibe ny Kaomandin’ny holafitry ny miaramila faha-510 any an-toerana sady manao herisetra ary manome baiko ny miaramila eo ambanin’ny fahefany mihitsy aza amin’ny tsy fanatanterahana ny asan’izy ireo: tsy miaro ny vahoaka sy ny fananany, tsy miraharaha ny resaka fandriampahalemana raha tsy tambazana vola izay an-tapitrisany mihitsy. Ary ankoatr’izay tsy maintsy omena sakafo ary tsy maintsy akoho ny laoka.

Efa tonga teo ampelantanan’i Rajaofera Eugene, sefo distrika any an-toerana, izao raharaha izao ary nilaza izy fa « na inona na inona antony, dia melohiny tanteraka ny fikasihan-tanana sy ny fandratrana olona« . Efa namaly ihany koa ny teo anivon’ny Ministeran’ny Firenenam-pirenena vantany vao naharay ny tatitra ka nanao izao fanambarana izao: « tsy maintsy hisy ny fanokafana ny fanadihadiana ary tsy maintsy hosaziana mafy ireo hita fa nihoa-pefy, izay manaratsy endrika ny Tafika Malagasy ».

Anjaran’ny Mpitandro filaminana no miaro ny vahoaka sy miaro ny fananany. Nofanina ny mba hampisy ny fandriampahalemana eo amin’ny tany izay iadidiany izy ireny.Raha ny hita sy tsikaritra nefa dia toa lasa izy ireo indray aza no mitarika amin’ny fisetrasetrana sy fanakorontanana ny filaminam-bahoaka. Efa tena mihoa-pefy ny fanararaotam-pahefana ataon’ny mpitandro filaminana matoa tonga hatrany amin’izao fandraisana fanapaha-kevitra henjana izao ny mpampianatra, mihorohoro ny mponina. Ny miaramila no manao ny ataony dia ny zanany no mizaka ny vokany. Aiza ho aiza ny Fanjakana amin’izao toe-draharahan izao fa mijaly ny mpianatra izay « ho avin’ny firenena » ?

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire