ActualitésTsidika

Hisitraka fitaovam-pianarana ny ambaratonga fototra

Hizara fitaovam-pianarana ho an’ireo mpianatra any amin’ny ambaratonga voalohany ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Teny amin’ny Cnapmad Ankorondrano no nalamina ireo fitaovam-pianarana ary ho alefa manerana ny CISCO izay tokony hisitraka izany. Marihina fa ny voalohan’ny volana septambra 2021 izao no fidiran’ny mpianatra amin’ny taom-pianarana 2021-2022.

« Ho fanamaivanana ny vesatry ny ray aman-dreny amin’ny fampidirana mpianatra amin’ny ambaratonga fototra no anton’izao fizarana kit scolaire izao » hoy ny avy ao Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. « Efa miomana sahady amin’ny fidiran’ny mpianatra izahay ka hizara fitaovam-pianarana toy ny kahie, kitapo, aron’akanjo, kappa, penina, fanipika, pensily hazo ary penina fandoko » hoy Marie Michelle Sahondrarimalala, Minisitry ny fanabeazam-pirenena.

« Tena manamaivana anay mihitsy aloha ny fanampiana fitaovam-pianarana toy ny efa nisy fa kosa tokony hisitraka izany avokoa ny ankizy rehetra any amin’ny ambaratonga fototra rehetra » hoy i Chantal, renim-pianakaviana. « Na dia efa fotoam-pialan-tsasatra aza izao dia efa mihevitra sahady ny fidiran’ny mpianatra ireo ray aman-dreny satria ny fiainana efa hiara-mahalala fa tena sarotra, koa tsara raha misy ny fanohanana avy amin’ny fitondram-panjakana » hoy ny mpampianatra iray.

Efa nisy hatramin’izay ny fanohanana tahaka izao fa kosa tokony ho tonga ara-potoana, mialohan’ny fidirana, anya m-pelatanany mpianatra tsirairay izany mba hahafahan’izy ireo hiatrika ny fanombohana ny taom-pianarana am-pilaminana. Ny irariana ihany koa ny mba hahatezan’ireo fitaovana hatramin’ny faran’ny taom-pianarana ka sady hahay hikojakoja ny mpianatra no ho atao amin’ilay mafy tsara ireo fitaoavana hozaraina ireo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire