Zandary vavy miisa 4 mpitsoka mozikan’ny zandarimaria
09 Aogositra, 08h00. Niisa efatra ankehitriny ireo zandary vehivavy mpitsoka mozika eo anivon’ny Saiholafy mpitsoka mozikan’ny Zandarimariam-pirenena. Marihina fa nandalo fifaninanana tao anatin’ny Zandarimaria izy ireo vao tafiditra ho mpiofana mpitsoka mozika raikitra. Vehivavy, renim-pianakaviana, zandary matihanina no sady mpitsoka mozika, miezaka sy feno faharetana izy ireo mandamina sy mandrindra ny asa sy ny fiainan-tokantrano.
