Fidiran’ny mpianatra : Manome toromarika mikasika ny covid-19 ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena
Nanome toromarika ho an’ireo tompon-andraikitra isan’ambaratongany misehatra eo amin’ny fanabeazana (MEN, DREN, CISCO, ZAP, ary ireo Talen-tsekoly) ny avy ao amin’ny Ministera’ny Fanabeazam-pirenena ny alakamisy teo : « tokony samy hitandrina ny tsirairay ary tokony hivonona hatrany mba hisorohana ny mety hisian’ny andiany fahatelo amin’ny Covid-19 eto Madagasikara » hoy ny tompon’andraikitra eo amin’izany Ministera izany.
Manentana hatrany izy ireo ny amin’ny mbola tokony hanajana foana ireo fepetra sakana hisorohana ny valanaretina coronavirus ary ny mbola tokony hampiharana ny fenitra ara-pahasalamana (protocole sanitaire) eny anivon’ny sekolim-panjakana na ny sekoly tsy miankina. »Tokony ho efa lasa fahazaran’ireo mpianatra mihintsy ny manasa tanàna matetika sy tsy miala arovava » hoy hatrany ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Nohamafisiny ihany koa ny tokony hananganana na hananan’ny sekoly tsirairay komity mpanara-maso (Comité de vigilance covid-19) ny zava-misy miseho ao an-tsekoly mahakasika ny Covid19.
« Efa mivonona sahady izahay amin’ny fandraisana ny mpianatra ny volana septambra ho avy io. Manana « dispositif de lavage de main » (DLM) efatra izahay ho an’ny mpianatra 60, ary efa mipetraka ihany koa ny kaomity mpanara-maso ny covid eto amin’ny sekolinay » hoy ny talen-tsekoly iray eto Antananarivo. Ny fitandreman’ny tsirairay avy ihany ary ny fanajana ireo fepetra sakana no fomba mahomby indrindra hahafahana misoroka ity aretina ity.
Sitraka Rajaonarivony
