Nanomboka ny Alarobia teo ny Fiermada andiany faha-22
Maro ireo hetsika voatery nofoanana tamin’iny taona 2020 iny nohon’ny fiparitahan’ny valan’aretina covid19. Anisan’ny voakasik’izany ny Fieramada na koa « Foire Internationale de l’Économie Rurale de Madagascar » izay ambohimpihaonan’ireo mpisehatra eo amin’ny resaka voly sy fiompiana ary maro samy hafa ihany koa.
Tanterahina eny amin’ny kianjan’ny Maki eny Andohatapenana nanomboka ny alarobia teo ny andiany faha 22-ny Fiermada,ary tsy hifarana raha tsy amin’ny asabotsy ho avy izao. Ambohimpihaonan’ireo olona mpisehatra eo anivon’ny fambolena sy ny fiompiana ary koa entina hanomezan- danja kokoa ireo vokatry ny tany avy any ambanivolo. Amin’io no fotoana hampirantian’ireo mpamboly sy mpiompy ny vokatry ny taniny sy ireo izay mampalaza na koa vokatra vaovao mampihavaka ny faritra nihaviany izay entiny hisintonana ireo mpividy, eny na ireo mpampiasa vola mihintsy aza mba hanampy azy ireo amin’ny fanomezan-danja ny asan’ny tantsaha Malagasy.
I Rabary, mpandray anjara izay tafaresaka taminay, no nanazava ny momban’ny fiompiana trondro ary dia nitondra irony karazana « prototype » mitovy amin’ny dobo-trondro irony izy mba hentiny hanazava ireo mpitsidika ny trano eva izay misy azy. « Asa mahavelona tsara raha ny fiompiana trondro any amin’ny tontolo ambanivohitra,mila fahaiza-manao sy faharentana ary finiavana manokana anefa izany »..Raha teo anivon’ny sehatry ny fambolena indray dia « tsara ny vokatra tamin’ity taona ity » hoy i Henriette, sady mpamboly no mpandraharaha.
« Anisan’ireo paikady afaka entina hanarenana ny toe-karena Malagasy ny fisihan’ny hetika lehibe tahaka izao » raha naneo ny heviny ny minisitra mpiahy Lucien Ranarivelo tamin’ny lanonam-panokafana ny hetsika. Marihina moa fa tsy misy ny vidim-pidirana.
Fanja Rakotoarisoa
